Fankalazana ny fetin’ny vehivavy dioviko Iarivo

auteur 7 martsa 2017 Commentaires fermés
Fankalazana ny fetin’ny vehivavy dioviko Iarivo

Ho fanamarihana ny fankalazana ny andron’ny vehivavy dia tonga nanolotra fitaovana fanadiovana tao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Vovonana Dioviko Iarivo mpitantana ny « bloc stanitaire » eto Antananarivo Renivohitra, izay miara-miasa amin’ny kaominina, androany maraina 07 martsa tao amin’ny Lapan’ny Tanàna. Hita tao anatin’izany fanomezana izany ny vovon-tsavony iray baoritra, haron’ankanjo roa baoritra sy borosy iray baoritra.

Maniry hatrany izy ireo mba hifampiresaka amin’ny fiaraha-miasa sy ny fanatsarana hatrany ny « bloc sanitaire » miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ; ary vonona ny hifanohana hatrany.

Nanambara ny lefitra voaloahany ny Ben’ny Tanàna, Ramboasalama  teo ampandraisana azy ireo fa tena anisan’ny tafiditra ao anatin’ny sosialin’ny Ben’ny Tanàna ny rafitra fanadiovana sy fidiovana ary mankasitraka azy ireo tamin’ny fanomezana satria tena ilain’ny Tanàna ny fitaovam-panadioavana indrindra ho an’ireo mpanasa lamba amin’ny fidinana ifotony izay ataon’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana eny amin’ny « bassin lavoir ».