Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalao « Futsal inter-direction CUA »

auteur 24 novambra 2017 Commentaires fermés
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalao « Futsal  inter-direction CUA »

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tolakandro teny amin’ny kianja mitafo Mahamasina ny lalao « FUTSAL INTER-DIRECTION », izay nokarakarain’ny DCVC na ny (Direction de la Culture et Vie Communautaire) teo  anivon’ny  fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra CUA. Izao no natao dia mba ho fampiombonana sy ny fanamafisana ny fihavanana eo amin’ny samy mpiasa eto anivon’ny CUA. Araka izany, dia handray anjara mavitrika ao avokoa ireo solontena isaky ny departemanta. Raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra fa miisa 24 ny ekipa ka mizara ho pool 4 izy ireo izay misy olona enina avy.

Marihina  fa fifanitsanana efatra be izao no nisantarana ny andro  omaly : ny fifanitsanana voalohany dia nisy ny ekipa avy tao amin’ny Boriboritany voaloahany nifanandrina tamin’ny ekipa avy tao amin’ny boriboritany fahatelo, fifanitsanana faharoa nisy ny ekipan’ny DTP Anosipatrana I sy ny DRM, ny fahatelo nisy ny boriboritany faha enina  sy ny DRH, ary ny fahaefatra ny ekipa avy tao amin’ny DCVC culture sy ny “espace vert”.  Ny fifaninanana dia haharitra efabolana, ka ny telo volana voalohany dia dingana fifanitsanana, ary ny iray volana farany kosa dia dingana famaranana.