Fanokanana ny sarivongan’i Masina Maria Andohalo

administrateur 16 aogositra 2018 Commentaires fermés
Fanokanana ny sarivongan’i Masina Maria Andohalo

Fotoandehibe roa sosona ho an’ny mpino katolika tao amin’ny EKAR Katedraly Andohalo  ny andro omaly alarobia. Teo ny fahatsiarovana ny nampiakarana an’I Masina Maria Renin’Andriamanitra tany an-danitra izay niarahan’ny mpino manerana an’izao tontolo izao nanamarika ; Teo ihany koa ny nitokanana ny sarivongan’I Masina Maria  mirefy 13 m ny hahavony .Arak’ izany , fotoambavaka lehibe izany  notarihan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène  Razanakolona no notanterahana tamin’izany.

Olo-manan-kaja maro no nanatrika ny fotoam-bavaka, ka isan’izany  ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, ny Filohampirenena Hery Rajaonarimampianina Mivady ,ny Praiministra Ntsay Christian  sy ny mambara ny gouvernemanta miaraka aminy ary ireo mpino katolika marobe. Zavadehibe ho an’ny tanànan’Antananarivo  hoy ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana ny fisian’ny sarin’I Masina Maria eto Antananarivo  toy izao ety Andohalo, mampitombo ny finoana hoy izy  fa hifanome Tanana, hiray hina ny Malagasy, ka hifamela heloka avokoa.

Ankoatra izay, haingon’ny tanàna ihany koa ny sary lehibe toy izao ka mila kojakojaina hatrany mba ho lovain’ny taranaka faramandimby.