Fanomezana fanampiana ho an’ireo traboina may trano teny Mandrosoa Faravohitra

administrateur 11 octobra 2018 Commentaires fermés

Taoriana ny haintrano izay nitranga teny amin’ny Fokontany Mandrosoa Faravohitra tamin’iny herinandro lasa teo iny dia nitondra izay voatsirambin’ny tanana ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) izay notarihan’ny Solontenan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao RAVALOMANANA dia ny Delegen’ny Boriboritany Voalohany, Bernard Joseph, ny Tale misahana ny asa Sosialy ao amin’ny CUA, Dokotera Prisca Andriantseheno ary ireo mpiara- miasa maro avy eo anivon’ny CUA ny andron’ny androany alarobia 10 Oktobra 2018.

Niisa 9 teo  ireo fianakaviana traboina izay nomena fanampiana toy ny fotsim-bary sy fitaovan-dakozia ; ankoatra izay dia nanampy ireo mponina tamin’ny fanamorana ny fanamboarana ireo antontan-taratasy izay ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany koa ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Boriboritany Voalohany. Mbola ho avy eny an-toerana ireo tompon’andraikitra ara-teknika avy ao amin’ny Kaominina hijery ifotony ireo fenitra sy toromarika izay tokony arahina amin’ireo fomba fananganana trano, miaraka amin’izany ihany koa ireo fitaovana fanaovana trano toy ny biriky, fasika, simenitra, tafo, sns…

Araka ny nambaran’ny Delegen’ny Boriboritany Voalohany dia fanampiana ihany ireto atolotry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireto, fa anjaran’ny tsirairay hoy izy ny miara-misalahy amin’ny fanorenana. Tsara marihina fa anisan’ny fijerena ny maha olona sy ao anatin’ny asa sosialy izay efa fanaon’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana ny asa famonjena ny mpiara-monina toy izao.

Tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba samy hitandrina sy ho mailo hatrany mba tsy hiverimberenan’ny tranga haintrano toy izao intsony.