Fanomezana hoan’ireo marary ao amin’ny hopitalin’ny pesta Ambohimiandra.

auteur 8 novambra 2017 Commentaires fermés
Fanomezana hoan’ireo marary ao amin’ny hopitalin’ny pesta Ambohimiandra.

Ankoatra ny fanatsaràna sy  fanavaozana ny fotodrafitr’asa dia tsy mitsahatra miezaka  ihany koa  ny kaomininan’Antananarivo Renivohitra amin’ny fanampiana  ny mpiara-belona. Nanatitra  bodofotsy hoan’ireo  mararin’ny valan’aretina pesta teny amin’ny hopitaly Ambohimiandra ny sampana misahana ny fahasalamana avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra , notarihin’ny Talen’ny Fahasalamana Deris Herivonona ny Alarobia faha-08 novambra taona 2017.

CUA

Areti-mandoza izay nampihorohoro ny teto  Madagasikara iray manontolo ny Pesta, efa miha-manjavona kosa izy ankehitriny vokatry ny fepetra maro noraisina. Raha ny hita teny an-toerana dia miha-vitsy ireo marary ao amin’ ity toeram-pitsaboana  iray eny amin’ ny boriborintany faharoa ity  . Izany dia vokatry ny ezaka  goavana izay ataon’ny tompon’andraikitra.

Nankasitraka ny fanomezana nomen’ny Kaominina ireo  marary sisa tavela.