Fanomezana sakafo ho an’ireo tra- boina teny Ambodivoanjo

auteur 17 martsa 2017 Commentaires fermés
Fanomezana sakafo ho an’ireo tra- boina teny Ambodivoanjo

Vokatry ny rivo- doza Enawo  teny Ambodivoanjo ny Boriboritany fahadimy ny 16 Martsa 2017: Olona 54 avy amin’ny tokantrano miisa 8 no notolorana sakafo atoandro maimaimpoana.

Vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny Fondation Orange Madagascar no nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao. Tsy ireo traboina avy amin’ny Boriborintany faha-dimy irery no ahazo izao fanampiana izao. Fa mbola hitohy any amin’ny Boriborintany  voalohany sy fahaefatra izay mbola ahitana tra-boina hatramin’ny anio.

Tsy mitsahatra hatreo  ny fiaraha- miasa eo amin’ny Fiadidina ny tanànan’Antananarivo sy ny Fondation Orange amin’ny lafiny sosialy. Mbola hisy hatrany ny fiaraha- mientan’ ny roa tonta amin’ny fijerena ny fiainan’ireo vahoaka eny ifotony.

Mbola mitohy ny fanolorana sakafo atoandro ataon’ny CUA sy ny Orange :
- Zoma 17 martsa 2017 :amin’ny 12 ora site Ampefiloha Ambodirano
- Alatsinainy 20 martsa 2017 : amin’ny 12ora site Ankorondrano Andranomena