Fanomezana tolo-tànana avy amin’ny SBM

auteur 13 octobra 2017 Commentaires fermés
Fanomezana tolo-tànana avy amin’ny SBM

Tonga nanome tolo-tanana , borety miisa 40  mitentina 5 tapitrisa ariary latsaka kely  hoan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Orin’asa SBM (Banque Madagascar) androany 13 octobre 2017 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, fanampiana  entina   ho fanadiovana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra  amin’izao fihanaky ny  valan’aretina pesta izao.Tonga nanolotra izany  tamin’ny Solontenan’ny Ben’ny Tanàna Lalao RAVALOMANANA sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny Tale jeneralin’ny SBM, Gilbert Lagaillard sy ny Tale jeneraly lefitra, Haingotiana Rajoelisolo. Nanambara  ireto tompon’andraikitra ambonin’ny SBM  ireto fa mbola hitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny  roa tonta fa tsy hijanona amin’izao tolo-tanana Izao.

CUA