Fiaraha-miasa ny CUA sy ny Lions club

auteur 18 septambra 2017 Commentaires fermés
Fiaraha-miasa ny CUA sy ny Lions club

Nitsidika tamin’ny fomba am-panajana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra , izay nosoloan-tenan’ny Lefitra voalohany ny fiadidiana ny tanana,  Col Ramboasalama Emilien sy ny talen’ny  Kabinetra Jean Claude Rabarijaona androany tolakandro Alatsinainy faha 18 ny volana Septambra 2017 tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely , Atoa Georges Chane-Tune  ,Governoran’ny Distrikta 403 .B2…narahan’ireo delegasiona mafonja notarihiny.Noresahana nandritra ity fihaonana ity ny hisian’ny atrik’asa izay haharitra herintaona, manomboka ity volana Septambra ity ka hatraminy taona 2018.

Atoa Georges Chane Tune ankoatra ny  maha Governoran’ny distrika 403. B2 azy dia misahana ny Lions MJF, sy LaRéunion, Maurice, Comores, Mayotte, Djibouti ary i Madagasikara.Ny fitsinjovana ny olona sahirana eny amin’ny faritra iva no sehatra iasan’izy ireo , eo ihany koa ny tontolon’ny  fahasalamana toy ny fijerena ny Diabeta , ny maso, sy ny maro hafa fa indrindra indrina ny tontolo iainana.

Zava-dehibe ny fihaonana tahaka izao izay mifantoka indrindra amin’ny asa sosialy,  fanampiana ny mpiara-belona  ary mitovy rahateo ny  tanjon’ny  roa tonta na ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izany  na ny Lions Club..

Atoa Georges Chane Tune Governoran’ny Distrikta  403.B2 misahana ny Lions MJF sy La Réunion , Maurice, Comores, Mayotte,Djibouti ary Madagasikara no tonga nanao fitsidihana ara-pomba am-panajana ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra tetsy main’ny Lapan’ny Tanànana Analakely  izay nosoloan-tenan’ny Lefitra voalohany , ny Col Ramboasalama Emilien sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Tanànana, Atoa Claude Rabarijaona.