Fihaonan’ny TAM (Tanora Anosibe Milalao: rugby sy box) sy ny Ben’ny Tanàna

auteur 3 martsa 2017 Commentaires fermés
Fihaonan’ny TAM (Tanora Anosibe Milalao: rugby sy box) sy ny Ben’ny Tanàna

Nisy ny fitsidihana nataon’ny TAM teo amin’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana androany maraina 02 Martsa 2017 tao amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely.

Nivoitra tao anatin’ny fihaonana ny fiaraha-miasa miaraka eo amin’ny roa tonta, ary nodinihana ny fanatsarana ny  fiaraha-monina ao amin’ny tsenan’Anosibe, indrindra ny toby fiantsonana. Eo ihany koa ny fandinihana sy fanatsarana izay tokony atao toy ny foto-drafitr’asa, ny andrin- jiro, lakan-drano sy ny fanadiovana ny tsena,ary ny andraikitry ny tanora eo amin’ny fitandroana ny fiarahamonina.

Noho izany ,dia hisy ny komity hatsangana eo anivon’ny fikambanana TAM hijery  ny toerana rehetra  tokony hanaovana fanatsarana ary hadaminana ny asa atao. Amin’ny Talata ho avy izao dia mbola hisy fifampidinihana eo amin’ny roa tonta araka ny voalazan’ny Filohan’ny TAM Rakoto Jean Paul.