Filazana hoan’ny mponina eto an-drenivohitra Antananarivo

auteur 2 octobra 2017 Commentaires fermés

Ho fitandroana ny fahadiovana eto amin’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra dia handray  fepetra  hentitra ny fiadidian’ny Kaominina  manoloana ireo loto miparitaka  sy fako rehetra manerana ny Renivohitra.Voakasika izany avokoa na mpivarotra entana, mpivarotra hani-masaka na ireo olona tsotra eny an’ivon’ny Fokontany minia manary , manao maloto  eny rehetra eny, manentsina lakan-drano sy ny tantatra na elakelan-trano.Ireo sarety  sy kalesy tsy manara-dalàna na ireo olona na fiara tsy manaraka ny lalànan’ny fifamoivoizana toy ny fiampitana amin’ny faritra voatokana na “Passage Zébré”.Aorian’ny fanentanana dia hisy avy hatrany  ny sazy ampiharina  mifandraika amin’ izany, araka ny lalàna manan-kery efa misy.Hisy ihany koa ny fanaraha-mason’ny  Inspecteur d’Hygiène eny ifotony.

Marihana fa efa misy ny toerana voatokana amin’ireny fanariam-pako sy ny fanaovana maloto ireny, koa entanina isika hanaraka ny fitsipika efa napetraka .Manantena ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay ny Kaominina Antananarivo Renivohitra satria soa iombonantsika izany