Fitokanana ny kianja Maitsoririnina

auteur 31 janoary 2017 Commentaires fermés
Fitokanana ny kianja Maitsoririnina

Tontosa ny Sabotsy  faha  28 Janoary  lasa  teo  ny  fitokanana  ny  toeram-pialam-boly antsoina hoe « Maitsoririnina » tetsy Ankadifotsy  Ankaditapaka. Tsy tanteraka izany raha tsy nisy ny  fiaraha-miasa  teo  amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy  ny  Région  Ile –de-  France ary  ny  orinasa  tsy  miankina  iray antsoina hoe « Aokalou ».

Tonga nanotrona  izany  lanonana  izany  ny  solotenan’ny  Ramatoa  Ben’ny  tanàn’Antananarivo, ny  Lehiben’ny boriboritany  fahatelo Andriamatoa Rado Andriamamonjisoa, ny tompon’andraikitra  ao  amin’ny orinasa   « Aokalou »,  ny  lehiben’ny Institut des Métiers de la Ville na IMV ary ireo mpiara-miasa  maro  samihafa.

Tombony  lehibe ho an’ny  boriboritany  fahatelo  ny  fanànana  ity toerana  fialam-boly  ity satria hita ao  avokoa  na ny  toerana  voatokana   ho  an’ny  ankizy  na  koa   ho an’ny  tanora  miaraka  amin’ireo  kilalao  isan-karazany  izay  fahita  amin’ny  toerana  toy  ireny.

Tao  aorian’ny  fandraisam-pitenenana  nataon’ireo  manam-pahefana   dia  nisy  ny  fiaraha-miala  hetaheta   narahina  fampisehoana  izay   nataon’ny  tarika « Jess  Flavy  One » nentina  nampifalifaly  ireo  ankizy  marobe  tonga  teny.

Isan’ny navohitran’ireo nandray fitenenanana ny mba  hikojakojàna  hatrany ny toerana tahaka izao mba ho fianarana ho an’ny hafa  ary  indrindra mba hisian’ny endrika kanto mandrakariva  eo  anivon’ny  fiaraha-monina  sy  ny  tanan’Antananarivo.