Fitondrampanjakàna: Mitady hanakorontana ny tsena efa milamina eo Analakely indray

administrateur 3 octobra 2018 Commentaires fermés

Faly ny mpivarotra amoron-dalana  eo akaikin’ny Espalanade Analakely fa  nomen’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana toerana maimpaimpoana ahafahany mivarotra, nefa tsy manelingelina ny fifamoivoizana no manome endrika ny tanàna. Tsena trano vy vaovao,  izay ny mpivarotra ihany  no nandray an-tanana ny fanamboarana azy  no natao tamin’izany, ka   nokendrena mba  ho tafiditra ao anatin’io tsena io avokoa ireto farany   araka ny fandaminana napetraky ny  Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

Vita tamin’ny ampahany ny asa  ary efa maro no nahavita ny trano vy. Tampoka teo anefa dia voalaza misy izany projet an’ny fanjakàna  izany  indray  tadiavin’ny  mpitondra hapetraka  eo amin’io toerana io, izay nampisahotaka  ny mpivarotra  ny maraina teo. Tsy hiala eto izahay hoy ireo mpivarotra satria  efa milamina izahay eto ; tsy mibahan-dalana, ao anatin’ny ara-dalàna, koa maninona izahay no hoesorina eto amin’ny tsena izay efa nandanianay ny  volanay. Resaka politika no antony hanesorana anay eto, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.