Fitsidiana nataon’ny solontenan’ny ben’ny tanàna avy any Nice an’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana

auteur 28 jona 2017 Commentaires fermés
Fitsidiana nataon’ny solontenan’ny ben’ny tanàna avy any Nice an’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana

Hohamafisina sady hiditra lalina ny fiarahamiasa sy ny fifandraisana eo amin’ny Tananan’Antananarivo sy ny Tananan’I Nice any Frantsa; Omena aina vao rahateo ny maha  mpirahavavy ny roa tonta izay somary natoritory teo aloha.

Nisongadina izany nandritra ny fihaonan’ny Solontenan’ny Tanànan’i Nice misahana ny Teknika Franck Garneron sady Filoha Lefitry ny Fikambanana A.F.G Consult sy ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Lalao Ravalomanana ny Alarobia 28 Jona 2017 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

CUA
Misy avy hatrany  ny vinan’asa hotanterahana ka tafiditra amin’izany ny fanatsarana sy ny fanadiovana ny Tananan’ Antananarivo Renivohitra toy ka tafiditra amin’izany  ny  lakan-drano ; Fantatra fa hanolotra  fitaovana ny Tananan’I Nice entina hanatanterahana izany.

Ho an’ny Boriboritany faha Dimy manokana dia efa nisy ny fidinana nataon’ny Kaominina sy ny tomponandraikitra eny antoerana  nijery ny asa tokony ho atao ka anisan’izany ny  fanatsarana  ny  tsena eny  Analamahitsy cité sy ny   tombim-pahasalama eny Analamahitsy Tanana izay tokony asiana fanavaozana noho ny fahanterany.

Vonona hanampy izany tetik’asa izany ny Tananan’I Nice. Ankoatra izay koa dia hiditra antsehatra amin’ny fampanofanana amin’ny lafiny fitantanana Tanana sy ny resaka Teknika ary ny tetik’asa momba ny fananganana fotodrafitr’asa ity Tanana iray any amin’ny Côte d’Azur Frantsa ity.

Nambaran’ny Filohan’ny Filan-kevitra Monisipaly Andriambahoaka Faustin kosa fa tsy azo hamaivanina  ny fanampiana sy ny fiarahamiasa avy any ivelany amin’ny fampandrosoana ny Tanànan’Antananarivo.