Fitsidihana nataon’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana an’ireo Traboina

auteur 9 martsa 2017 Commentaires fermés
Fitsidihana nataon’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana an’ireo Traboina

Tonga nitsidika ireo traboina rehetra teto Antananarivo Renivohitra ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana androany Alakamisy 09 martsa 2017. Toerana 5 no nitetezina amin’izany toy ny tetsy amin’ny ANS Ampefiloha,EPP Anosibe, CEG 67 ha, EPP Antanimena  ary Gymnase Ankorondrano.

Nanome vary 5 taonina, kohety 100  ny Ben’ny Tanàna ka ny Zokiolona sy ny mpitaiza kely no notolorana izany; Teo koa ny voamaina sy ny mofo dipaina misy dibera 1  miaraka amin’ny rano “Olympiko”. Tsy nohadinoina ny tsihy hatorian’ireo tsy manana kidoro. Nisy koa ny menaka sy savony.

CUA
Amin’ny maha fon-dReny azy koa dia nandefa Dokotera ny Ben’ny Tanana   mba hijery maimaimpoana ny fahasalaman’ireo traboina rehetra isaky ny toeram–pitobiana.

Tsapan’ny  Ben’ny Tanana ihany koa fa mbola betsaka ireo tsy manana bodofotsy ka mbola nampanatena hividy 2000 izy miaraka amin’ny sceau sy koveta ary zinga.

Ireto avy no isan’ireo traboina 5 192:
ANS Ampefiloha : 730
CEG 67 ha 689
EPP Antanimena :1236
Gymnase Ankorondrano: 565
EPP Anosibe : 1 972