Fitsidihana ny Boriborintany faha 4 nataon’ny ben’ny tanàna

auteur 17 febroary 2017 Commentaires fermés
Fitsidihana ny Boriborintany faha 4 nataon’ny ben’ny tanàna

Nitohy  ny fitsidihan’ny  Ben’ny Tanàna  Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa  aminy    ny boriborintany  faha  4. Fokontany maromaro no notsidihana nandritra  izany : Anosibe  Angarangarana, Mandrangobato II, Anosizato atsinanana, Andavamamba  Ambilanibe, Ambohibarikely. Nifanerasera mivantana tamin’ireo mponina ny Ben’ny Tanàna nandritra izany sady nihaino ny fitarainan’izy ireo. Maro ny toerana dibodrano rehefa  tonga ny orana noho ny lakandrano tsentsina, ka nojerena ny vahaolana mikasika izany  araka izay tratra.

IMG_9512
Misy ny lalankely namboarina tao anatin’ny  tetik’asan’ny CLD,   tao  amin’ny fokontany Angarangarana  sy  Mandrangobato II no efa vita, tsy mahafa-pahasahiranana ny mponina anefa ny asa vita satria mbola ratsy tsy azo aleha eo akaikiny, avy hatrany dia nanapa-kevitra ny ben’ny Tanàna Lalao  Ravalomanana fa ho tohizan’ny CUA  ny famitàna azy, ka hatomboka amin’ny alatsinainy ny asa. Teo ihany koa  ny fijerena ireo mpanasa lamba, omena aron’akanjo sy koveta ary siny izy ireo mba hanalàna fahasahiranana azy.

Nandritra ny fitsidihana ny fokontany Angarangarana  dia nojerena ny tanin’ny CUA ao an-toerana izay mampitaraina ny fikambanan’ny tanora  mpanao fanatanjahantena fa mitady hisy haka, avy hatrany dia hisy ny dinika hatao hiarahan’ireo mponina sy ny tompon’andraikitra ao amin’ny boriborintany faha 4,  hijerena haingana ny tokony hatao mikasika io tany io. Ankoatra izay, nitsidika ny toerana  fanaovana fanatanjahantena tao Ambohibarikely CLUB, Ra-maitre, ahitana  toerana fanaovana fanatanjahantena na fikotranana maro samy hafa, ny delegasiona  notarihan’ny ben’ny Tanàna. Nisy ny fijerena ny hanampiana azy ireo mba tsy hibirioka  any amin’ny fidorohana  zava-mahadomelina .