Fitsidinana nataon’ny USCAR an’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana

administrateur 5 septambra 2018 Commentaires fermés
Fitsidinana nataon’ny USCAR an’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana

Tonga nanolotra ny amboara   “Super Coupe Analamanga” ho an’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomana androany maraina  ny Ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mpilalao ny Baolina Lavalava na ny USCAR (Union Sportive Commune d’Antananarivo Rugby) tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Ny antony izao fanolorana izao dia nohon’ny fandresen’ny ekipa  USCAR  ny alahady lasa teo izay nahazoany  ny amboara “Super Coupe Analamanga” ; hetsika nokarakarain’ny TAMBOBOHOBE sy ny CUA.

CUA

Nanambara ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana fa heninkaja sy heni-mboninahitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao fandresenan’ny Uscar izao  ary maniry hatrany mba hatanjaka kokoa noho izao ny ekipa. Nankahery sy nankasitraka ihany koa izy tamin’ny ezaka izay nataon’ny ekipa ary mbola nitsodrano  azy ireo amin’ny Lalao izay ataony amin’ny  manaraka izay hotanterahina ny  31 septambra ho avy izao  hiadana ny “coupe de MADA”. Tsy adino ihany koa  ny nanamafy hatrany ny fanamafisana ny fitondratena ny ekipan’ny USCAR izay miisa 44.

Marihana fa efa nahazo ny “champion Analamanga” ny ekipan’ny kaominina Antananarivo  ireto mpilalao ireto talohan’ny nahazoana ity “Super coupe Analamanga” ity.