FIVORIAN’NY MPANOLOTSAINA MONISIPALY

auteur 2 janoary 2017 Commentaires fermés
FIVORIAN’NY MPANOLOTSAINA MONISIPALY

Nandroso sosonkevitra ny Filohan’ny Mpanolotsaina Monisipaly  Andriambahoaka  Faustin  momba ny fiarahamiasan’ny Tananàn’Antananarivo Renivohitra   sy ny Easy Park amin’ ny fitantanana ny Parking eto an-dRenivohitra  androany zoma 29 Desambra2016  niarahana  tamin’i  Rasolondrainibe Maminiaina Tale Jeneralin’ny  Easy Park   sy ny Mpanolontsaina niampy  ny Mpanatanteraka.   Lohahevitra 3 no nisongadina  nandritra ny fivoriana mba hisian’ny mangarahara :
-Fananganana  Kaomisiona    eo amin’ny EASY PARK sy ny Mpanolotsain’ ny Tanana  ary ny Mpanatanteraka mba hisian’ny fitovian’ny tadin-dokanga  amin’ny resaka Parking .
-Hajanona aloha  ny fanitarana ny asa  amin’ny volana Janoary 2017  fa aleo miara-midinika.

-Atao raikitra  ny Fifanarahana eo amin’ny Kaominina sy ny EASY PARK fa tsy andrana toy ny teo aloha intsony ,  izay vao afaka manitatra  ny asa ny EASY PARK.  Ankoatra izay dia mangataka ny hampiakarana ny isan-jato ho an’ny kaominina  ireo Mpanolontsaina sady nanentana ny EASY PARK mba hanatsara ny asany hanomezana fahafahampo ho an’ny mpanjifa .