Fizarana fanomezana ho an’ ireo mpianatra teny amin’ ny Boriboritany fahatelo

auteur 27 jona 2017 Commentaires fermés

Nizara fanomezana ho an’ireo mpianatra mendrika teny anivon’ny EPP ny avy ao anivon’ny Boriboritany fahatelo ny 23 jona 2017.

Mpianatra nahazo ny laharana telo voalohany miisa 325 avy any amin’ireo EPP 13 isa ao anatin’ny Boriboritany fahatelo no nozaraina kilalao, arendrina, kahie, chocolat, bonbon, biscuit ary stylo. Nisy ihany koa ireo ankizy miisa 48 nandray anjara nisolo tena ny Boriboritany tamin’ny fifaninanana Tsikonina nahazo fanomezana.

Tanjon’izao hetsika izao ny fampifaliana ireo ankizy nohon’ny fahatongavan’ny fetin’ny ankizy sy ny fahatsiarovana ny niverenan’ny fahaleovantena.Ary hetsika tsy mbola fanao teo anivon’ny Boriboritany fahatelo ny toy izao, irariana ny mbola hitohizany rehefa fotoanan’ny asaramanitra toy izao.

Tsy adinon’ny Lehiben’ny Boriboritany Atoa ANDRIAMAMONJISOA Rado ny nirary soa sy fety sambatra ho an’ireo mpianatra.