Fizarana fanomezana ho an’ireo mpiasa teny amin’ny Boriboritany Fahadimy

auteur 23 jona 2017 Commentaires fermés
Fizarana fanomezana ho an’ireo mpiasa teny amin’ny Boriboritany Fahadimy

Nohon’ny fahatongavan’ny fetin’ny fahaleovantena dia nizara fanomezana ho an’ireo mpiasa ny avy eo anivon’ny Boriboritany fahadimy ny 22 jona 2017.

Mpiasa miisa 117 no nozaraina vary sy savony mba ahafahan’izy ireo miara mifaly amin’ny ankohonany  amin’izao asaramanitra izao.

Ezaka manokan’ ireo tomponandraikitra avy eo anivon’ny Boriboritany fahadimy no nahafahana nanolotra izao fanomezana izao. Ary efa fanaoany izy ireo rehefa  fotoan- dehibe ny hetsika toy izao.

Tsy adinon’ ireo mpitantana avy eo anivon’ny Boriboritany fahadimy ihany koa ny mirarisoa ireo mpiasa amin’izao fety izao.