Foara eran-tany eto Madagasikara andiany faha 12

auteur 19 may 2017 Commentaires fermés
Foara eran-tany eto Madagasikara andiany faha 12

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 18 mey 2017 ny « foire Internationale de Madagascar » izay haharitra 4 andro. Andiany faha 12 no tanterahana  etsy amin’ny zone FORELLO Tanjombato , ahitana orin’asa  209 mandray anjara, izay misy  tranoheva miisa 500.  Betsaka ihany koa ireo firenena avy any ivelany nandray anjara toy ny avy any Frantsa, Maurice, Dubai, Indonesia sy ireo firenena maro samihafa, teo koa ny Fikambanana « des Femmes Entrepreneurs  de Madagascar» izay samy  nahatonga solontena isaky  ny faritra  ary ny « Point café ».

Nisongadina manokana  ny vokatra malagasy satria ny 55,6% ny pavillon dia Malagasy avokoa ary ny 44,4% n’ireo no vahiny. Hita tao avokoa ireo karazan-tsakafo, ny hainoaman-jery an-tsoratra na an-tsary na radio, sy kojakoja tokan-trano, asa- tanana, hotely isan-karazany, orange, banky…..

CUA

Ny tanjona ny FIM moa dia ny hifandraisan’ireo firenena eran-tany eo amin’ny sehatry ny vokatra misy ao aminy, ka nahafahany mifanakalo  tsena any amin’ny firenena nihaviany fa indrindra indrindra ny fampandrosoana ny orin’asa.

CUA

Tonga nanome voninahitra ihany koa ny solontenan’ny Ben’ny Tanàna Lalao RAVALOMANANA, Atoa Julien Andriamorasata sy ireo olo- manan-kaja, toy ny Ministry ny Indostria, Chabani Nourdine sady  nisolontena ny filoham-pirenena. Ireo masoivoho vahiny: ny Filohan’ny FMI Patric. D ary ireo filohan’ny « sponsor ofisialy sy exceptionnel » sy ny « groupes des femmes Entrepreneurs ».

Enregistrer