FUTSAL karakarain’ny CUA: Ny 21 septambra izao ny lalao famaranana

administrateur 14 septambra 2018 Commentaires fermés
FUTSAL karakarain’ny CUA: Ny 21 septambra izao ny lalao famaranana

Ny zoma 21 septambra ho avy izao no hotontosaina ao amin’ny kianja  Mitafon’i Mahamasina ny famaranana ny lalao  foot à 7 fantatra amin’ny anarana hoe FUTSAL, izay karakarain’ny Kaominina  Antananarivo Renivohitra (CUA).

Lalao maromaro no ho hita ao mandritra izany ; hanombohana ny hetsika ny dihy mirindra Zumba. Aorian’izay  ny fiadiana ny laharana faha-3 fair-play na ny 3ème place fair-play, ka ny DTMU hifandona amin’ny 5è Arrondissement, arahin’ny fiadiana ny  laharana faha-3 na ny 3ème place, hikatrohan’ny DCVC SPORT sy ny DRH.

Manarak’izany ny lalao famaranana fair-play,  ny 4è Arrondissement hifandona amin’ny ESPACE VERT. Avy eo ny lalao famaranana lehibe ho amin’ny tompon-daka, ny 1er Arrondissement hifampitady amin’ny Polisy Monisipaly. Hisy ny fizarana medaly sy amboara ho an’ireo rehetra mendrika mandritra ireo lalao ireo, hiatrika izany famaranana ny lalao FUTSAL izany ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana.