HAIN-TRANO TAO ANOSIBE ANDREFANA VOALOHANY

administrateur 8 novambra 2018 Commentaires fermés
HAIN-TRANO TAO ANOSIBE ANDREFANA VOALOHANY

4 NO MATY, OLONA IRAY MAY, NITONDRA NY VOATSIRAMBIN’NY TANANA NY CUA

Nitrangana haintrano goavana tao amin’ny Fokontany Anosibe andrefana voalohany Boriboritany voalohany omaly alarobia 7 novambra 2018  tokony ho teo amin’ny 11 alina teo . Raha ny tatitra azo dia afo avy ao  amin’ireo trano hazo manodidina no niantombahan’ny loza ka olona efatra no maty  ary  1 kosa no may .

CUA

Raha ny antontan’isa dia trano biriky miisa 8 sy trano hazo miisa 60 mihoatra no kila forehitra tamin’izany, ka anisan’ireo ny fotodrafitr’asa fatsakana na “Borne Fontaine” izay eo an-toerana ihany.

Manoloana izany dia nandray andraikitra ny teo anivon’ny Boriboritany faha efatra Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), notarihan’ny lefitra vohalohany sy faharoa  ary niaraka tamin’ny ekipa amin’ny  Sampandrahara misahana ny fiahiana ara- tsosialy ny Kaominina Antananarivo renivohitra  ( Direction des Actions Sociales),   izay nitsapa alahelo  ireo niaraham boina izay tratra teny an-toerana, ary nitondra izay voatsirambin’ny Tanana ho azy ireo.

Isaorana manokana ny teo anivon’ny Mpamonjy voina izay  niezaka mafy mba  tsy hiparitahan’ny afo teo amin’ny manodidina .