Haitrano Ambondrona

auteur 24 novambra 2016 Commentaires fermés
Haitrano Ambondrona

Io maraina io dia nitrangàna haitrano tetsy Ambondrona tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany  maraina.

Raha ny nambaran’ny nanatri- maso dia afo tao an-dakozia no nahatonga ny fahamaizana. Tao amin’ny rihana faharoa no niatombohan’ny afo, ahitana efitra roa: ny iray fatoriana, ny iray lakozia no may tamin’izany. Tsy nisy azo noraisina intsony ny entana tao amin’ireo efitra ireo fa may kila avokoa. Tsy nisy kosa ny naratra  na namoy ny ainy tamin’izany.

Tonga avy hatrany ireo mpamonjy voina raha vao nahazo antso. Somary nanano sarotra ihany ny famonjena satria zato metatra (100m) niala ny arabe no nisy ny trano tratry ny loza. Fiarabe  mpamonjy voina efatra no tonga teny an-toerana.

Marihana fa amin’izao fandraisan’ny Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ireo firenena miteny frantsay izao dia ahitana ireo mpamonjy voina avokoa ireo toerana stratejika eto Andrenivohitra.