Ilaina ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny gouvernemanta

auteur 5 octobra 2017 Commentaires fermés
Ilaina ny  hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny gouvernemanta

Vao maraina androany tetsy Analakely dia nanondraka fanafody tamin’ny taksi-be sy ny taxi,ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tafiditra ao anatin’ny ady atao amin’ny pesta izany.Hanaovana hetsika toy izao avokoa ny zotra rehetra . Hanomboka koa ny fanondrahana fanafody any anatin’ny tsena ka hanombohana izany ny tsenaben’Isotry, Petite Vitesse ary tsenan’ny Zaimaika. Rahampitso ny an’ ny taksi-be eny Anosibe. Ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao  Ravalomanana kosa dia nanindry mafy fa tokony hiara-miasa ny Kaominina sy ny Governemanta, kanefa tsy dia hita loatra izany. Efa nisy hoy izy ny fangatahana subvention izay anjaran’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra saingy tsy omena azy izany kanefa ny teo haloha rehetra dia nahazo  izany subvention izany avokoa. Koa tsy tokony ahilika aty amin’ny amin’ny Kaominina ny rihatra.

CUA