mairie-antananarivo – KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA (CUA)

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA (CUA)

administrateur 16 jolay 2018 Commentaires fermés
KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA (CUA)

EZAHINA NY HANAFOANANA  IREO MPIVAROTRA IZAY MPANDOTO NY TANANA

-Natomboka androany Talata 17 Jolay 2018 ny hetsika lehibe izay fanalàna sy fandaminana ireo mpivarotra amoron-dalana teny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Hetsika izay notanterahin’ireo ekipan’ny Boriboritany Voalohany Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny « intendance » avy ao amin’ny lapan’ny tanàna ary ireo Polisy Monisipaly. Ny anton’izao hetsika izao dia noho ny fahatsapan’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Tanàna ny fiparitahan’ny loto sy ny fako izay ataon’ireo mpivarotra tsy manara-dalàna. Ankoatra izay dia hitan’izy ireo ihany koa fa feno mpivarotra  ny « trottoir », lasa milatsaka anaty arabe araka izany ireo mpandeha an-tongotra  ka manjary manelingelina ny fifamoivoizan’ny fiara. Talohan’ny nirosoana tamin’izao hetsika izao dia efa nisy ny fampahafantarana sy fampitandremana izay nataon’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy zoviana amin’ireo mpivarotra araka izany izao hetsika ataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izao. Mbola hitohy sy hihamafy hatrany ny hetsika fanalàna mpivarotra tsy ara-dalàna toy izao ho fanadiovana sy fandaminana ny Renivohitra.

CUA

-Ankoatra ity hetsika fanalàna mpivarotra amoron-dalana ity dia nisy ihany koa ny fanadiovana faobe teny amin’ny Faritra Antohomadinika sy ny manodidina. Efa fanaon’ny Boriboritany Voalohany isaky ny Talata ny hetsika toy izao mba ho fanabeazana ny mponina  hanaja sy hikajy ny fahadiovana.