Kaominina Antananarivo Renivohitra – Nosy Maorisy

auteur 24 jolay 2017 Commentaires fermés
Kaominina Antananarivo Renivohitra   –  Nosy Maorisy

Nihaona tamin’ny fomba fifanajana tamin’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny marainan’ny Zoma 21 Jolay 2017 ny Ministry ny Indostria sy Fampitaovana avy  atsy amin’ny nosy Maorisy Andriamatoa Soodesh Callichum.

Nahafahan’ny 2 tonta nijery sahady izay sehatra ahafahana miaramiasa ity fihaonana ity ka tafiditra amin’izany ny hanaovana ho Tanàna Mpirahavavy an’Antananarivo sy Port Louis.

Araka ny nambaran’ity Ministry ny Indostria sy ny Fampitaovana Maorisianina  ity ihany dia azo heverina sahady dieny izao ny hitaran’ny fiarahamiasa ka tsy hijanona amin’ny Tanànan’i Port Louis fotsiny ihany izany fa hitarina amin’ny Tanàna hafa.