mandrosoa – faravohitra fanadiovana sy fandaminana ny tananan’antananarivo renivohitra

auteur 17 aogositra 2017 Commentaires fermés
mandrosoa – faravohitra fanadiovana sy fandaminana ny tananan’antananarivo renivohitra

Taoriana ny fanalana sy fanentanana ireo 4-mi teny amin’ny faritra Mandrosoa Faravohitra ny volana Jolay 2017 lasa teo dia niverina teny an-toerana indray ireo mpiasan’ny Kaominina ny andron’ny 17 Aogositra mba hanao ny fanaraha-maso ny fahadiovan’ny toerana. Hita tamin’izany ary fa mbola misy ihany ireo 4-mi izay tsy nanaraka ny fandaminana fa minia nanorina trano « sachet », nisy tamin’izy ireo mihitsy aza no nanorina trano vy sy tranon-dopy ary niezaka ny hiorim-paka teny amin’ity toerana ity. Mbola miteraka tsy fandriam-pahalemana koa amboniny izay. Tsy mihemotra anefa ny Kaominina fa dia miroso hatrany ny fanadiovana, raha tsy jerena sy hiverimberenana mantsy hoy ny tompon’andraikitra itony toerana nanaovana fanadiovana itony dia ho feno trano kely miorina tsy ara-dalàna ny tanàna ka ho zava-poana ny ezaka izay efa vita.

Tsara marihina fa  misy ny ivo-toerana zay efa natokana handraisana ireto 4-mi ireto toy ny eny amin’ny Ex Mad Cap, mba tsy hanorenan’izy ireo trano « sachet » etsy sy eroa hoy hatrany ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny fitaizana ireo olona ihany koa mantsy izao hetsika izao mba hanarahany ny fahaiza-miaina anaty fiaraha-monina.

IMG_0308

Tsy hijanona hatreo ny hetsika fa mbola hitohy hatrany satria dia Antananarivo madio sy milamina no tanjona