Marquage au sol

auteur 10 novambra 2017 Commentaires fermés
Marquage au sol

Mitohy hatrany ireo fanatsarana ny Tanàna an’Antananarivo  Renivohitra izay ataon’ny  Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana .Ka izany indrindra no antony ny fitohizana ireo fanamboarana «  Marquage  au sol » eto Antananarivo .Tamin’ity herinandro ity  dia maro ireo asa vita ka anisan’izany ny manoloana ny kianjan’ny  Rafalimanana etsy Isotry  izay nahavitana « marquage au sol » toby fiantsonan’ny Taxi ville miisa 10,  teo koa ny manolona ny Anjary Hotel,Analakely eo amin’ny COSMOS, Tsaralalana eo amin’ny COTONA, Pochard, Petite Vitesse,67 ha…

CUA

  Ny zoma 10 novembra  kosa dia tetsy Behoririka ampitany ny Galana sy luxor izay mahazaka  fiara 8 , avy eo dia nitatra tetsy Andravoahangy manolona ny rotsirotsy sy ny tsena  ny fanaovana « Marquage au sol »  toby fiantsoana ny taxi ville.Mbola mitohy hatrany ireo fanamboarana ny toby fiantsonan’ny taxi rehetra ataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay sahanin’ny sampandraharan’ny fitanterana.