mausolee – fort duchesne fanapahana ireo hazo lehibe

auteur 22 aogositra 2017 Commentaires fermés
mausolee – fort duchesne fanapahana ireo hazo lehibe

Ankatok’izao vanim-potoanan’ny maintany izao dia miroso amin’ny asa fanapahana ireo hazo lehibe mety hitera-doza ho an’ny mpandalo sy ny trano manodidina,  ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalàna. Ny alahady 13, 20, 27 aogositra ary mifarana ny 3 septambra 2017 no hanatanterahana izany ka isaky ny amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 1ora atondro, nisy ny lalàna monisipaly mitondra ny laharana 182CUA/M/SG/DTMU.17 koa voarara araka izany ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra tsy an-kanavaka amin’ny làlana Farafaty eo anelanelan’ny faran’ny arrêt bus Mausolée mihazo ny fidirana amin’ny « Caserne de la Gendarmerie » Fort Duchesne fa tonga dia mihazo ny làlana Docteur Rabenitany izay efa misy polisy monisipaly mandrindra sy mandamina ny fifamoivoizana eny an-toerana. Araka ny voalazan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny kolonely Rabemanantsoa Michel dia tsy tsara raha mihoatra ny ahavon’ny trano ny ahavon’ny hazo eo antokontany na ny manodidina ary aleo misoroka indrindra rehefa ho tonga ny fotoam-pahavaratra, koa entanina ny mpampiasa iny làlana iny mba hanaraka ny toromarika rehetra voalaza etsy ambony. Tsara ny manamarika fa asa fanaon’ny sampana mpamonjy voina eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanapahana ireo hazo lehibe izay voasokajy ho loza mitatao ho an’ny mponina.

                 CUA