Mpamonjy voina CUA, nahazo fitaovana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka

administrateur 1 octobra 2018 Commentaires fermés

Ho afaka miditra hatramin’ny toerana saro-dalana ny mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra. Nanome fitaovana  maoderina mahavita izany asa sarotra izany ho azy ireo androany ny  olona tsara sitrapo malalatanana avy amin’ny fianakaviana  Razakarivony  sy ny  orin’asa  MADECASSE, ao anatin’ny  fikambanana  Phénix.  Fitaovana maro ahafahana  manatsara  ny  asa  vonjy  taitra  ho an’ny mponina  no  maro ao anatin’izany,  toy ny  fisintonana rano  raha sendra misy ny tondra-drano  izay  mahavita  mitroka  rano   6000 litatra isaky ny iray minitra, azo entina any  anelakelan-trano saro-dalana.

Eo ihany koa  ny kojakoja maro  ampiasaina  amin’ny famonjena voina.  Ny mpamonjy voina ihany koa tetsy  andaniny, nahazo fitaovana  ampiasaina  amin’ny asany  sy ahafahany miaro ny tenany. Na dia sarotra aza  ny lalana nitondràna  ny fitaovana  teto an-tanindrazana   dia tsy nikely soroka  ireo mpanome  fa tonga teto Antananarivo renivohitra ireo fitaovana ireo.

Nisolo tena  ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana  nandritra  ny lanonana  tao Tsaralalàna foiben-toeran’ny mpamonjy voina  eto an-drenivohitra  ny  lefitra  voalohany  ny ben’ny tanàna, kolonely Ramboasalama Emilien,  ny filohan’ny filankevitry  ny tanàna, kolonely  Faustin Andriambahoaka sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo, ary ny lehiben’ny mpamonjy voinan’ny CUA, komanda Francky Ramanoara.