Mpamonjy voina Tsaralalàna: Nahazo fitaovana tamin’ny ONG Manda Life

administrateur 10 septambra 2018 Commentaires fermés
Mpamonjy voina Tsaralalàna: Nahazo fitaovana  tamin’ny  ONG  Manda Life

Boky maromaro hoentina hanovozana  sy hanatevenana  ny fahalalan’ireo mpamonjy voina   sy fitaovana maromaro, ahitana fanafody sy  fitaovana  ilaina amin’ny famonjena voina, hanalefahana ny fanaintainan’ireo  tratry ny loza amin’ny ambulance, ireo   no natolotry ny mpiara-miombon’antoka amin’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalana dia ny ONG Manda Life, androany maraina.

Raha ny  nambaran’ny lehiben’ny mpamonjy voina   ny Commandant Ramanoara  Francky  dia santatra ihany izao fiaraha-miasan’ny ONG Manda Life sy ny mpamonjy voinan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) izao, fa mbola hitohy ny fanomezana fitaovana toy izao hoy izy  araka ny nambaran’ny  ONG Manda Life.

Miezaka  izahay  hoy ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo renivohitra  ity  ny commandant Ramanoara  Francky  mitady hatrany ireo mpiara-miombon’antoka  mba hahafahanay  miasa  satria sarotra ny asan’ny mpamonjy voina , indrindra  miha-maro ny loza  eto  amin’ny tanàna , ao anatin’izany  hoy izy  no ahafahanay  mampitombo ny traikefanay.