Mpisoloky Mpanolotsaina Cua

auteur 7 febroary 2017 Commentaires fermés
Mpisoloky Mpanolotsaina Cua

Misy olona mpisoloky ho mpanolontsaina ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy misandoka andraikitra  maro eto Antananarivo milaza fa  colonel izy, ho « administrateur civil », Magistrat, milaza fa tale ny kabinetra ny CUA any amin’ny fokontany maro. Tsy vitan’izay ihany fa raha araka ny loharanom-baovao azo dia efa voaroka avy any amin’ny minisitera ny Atitany, Antenimieram-pirenena izy io.

Noho izany antony izany dia  tsy maintsy manamafy ny fiarovana sy ny fandriampahalemana  ny ato amin’ny kaominina hoy ny  lefitra voalohan’ny Ben’ny Tanàna  Ramboasalama Emilien sy ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana, miaro koa ireo « document »  rehetra  ato amin’ny kaominina ; Ka tsy maintsy nandray fepetra  henjana amin’ny fisavana  ny fidirana ato amin’ny CUA, ankoatra ireo mpiasa efa manana badge dia afaka miditra malalaka. Ary sakanana tsy hiditra ato intsony io olona mpisoloky io.

Nanambara koa ny lefitra voalohany fa tsy manavakavaka olona ny kaominina Antananarivo Renivohitra sady tsy manao didy jadona araka ny nambaran’ny « SYNDICAT » ny kung Fu, izay tsy misy an’izany ato anivon’ny CUA. Nampatsiahy izy fa 2 ihany ny syndicat misy ato amin’ny Kaominina dia ny SMKAR sy ny Syndicat Autonome ny CUA. Tsy tompon’andrikitra amin’ny zavatra miseho any ivelany  mety ataon’io olona io koa ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ireo olona hafa manao zavatra hafahafa.

Mampitandrina koa ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna amin’ny fisandohana andraikitra sy fanaratsiana ny CUA sy ny Ben’ny Tanàna.
Afaka mampandre ny Kaominina isika rehetra raha misy zavatra hafahafa hita any ivelany any. Izay no voalaza araka ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety androany antoandro 07 febroary 2017 izay nataon’ny  lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna.