Notokanana ny toeram-pitsaboana fototra CSB II etsy Antsahamamy

administrateur 18 aprily 2018 Commentaires fermés
Notokanana ny toeram-pitsaboana fototra CSB II etsy Antsahamamy

Notokanana androany Alarobia 18 Avril 2018 ny toeram-pitsaboana fototra CSB II etsy Antsahamamy ao anatin’ny fari-piadidian’ny Oniversite Antananarivo Boriboritany Faharoa. Ahitana efitra 07 ity toeram-pitsaboana vaovao ity  ka ahazo tombontsoa amin’izany ireo mponina mahatratra 24.000 sy ireo mpianatra eo amin’ny manodidina. Tafiditra ao anatin’ny tetik’asan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo nentina nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’i Nelson Mandela, ny taona 2009 nandritra ny fivoriamben’ny firenena mikambana   izy io ary endrika fifanaraham-piaraha-miasa telo tonta na 3 P : ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka  sy ny Oniversite Antananarivo an-daniny ary ny  Vondrona AXIAN avy amin’ny Fondation Telma an-kilany. Ny CUA kosa no niara-nisalahy tamin’ny nahazoana nanangana ny trano fitsaboana. Ny ministeran’ny fahasalamana indray no miantoka dokotera mpitsabo ary ny fanafody ampiasaina.

CUA

Ny tanjona dia ny fanampiana  ireo mponina sy ireo olona sahirana toy ny Ambolokandrina, Tsiadana, Andohan’I Mandroseza ….Naharitra O3 volana ny fananganana foto-drafitr’asa taorian’ny nitokanan’ny Kaominina Antananarivo  ny tsena Pavillons  59 sady fiarovana ny faritry ny Oniversite. Mbola misy ihany koa ny tetik’asa Agriculture Urbaine izay eo ambany fiahian’ny CUA, mahakasika ny fambolena sy fiompiana ary deraina Manokana, hoy ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna Atoa Julien Randriamorasata.

Nouvelle image2