Ny fiainana ara-panahy miaraka amin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana

auteur 18 aprily 2017 Commentaires fermés
Ny fiainana ara-panahy miaraka amin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana

Tafiditra ao anatin’ny Vina tetikasan’ny Ben’ny Tanàna Lalao RAVALOMANANA talohan’ny nilatsahany  ny fitaizaina ara-panahin’ ny vahoaka  eto Antananarivo Renivohitra. Efa natomboka tetsy amin’ny boriborintany faha telo izany. Ary androany dia nihitatra etsy amin’ny boriborintany voalohany sy faha efatra izany  ka atao isaky talata tolakandro.

Natao tetsy amin’ny BMH Isotry izany fotoam-pivavahana  sy fiofanana izany androany 19 aprily 2017. Ka ny tanjona amin’izany dia ny  fijerena manokana ny fiainana ara-panahy ny tsirairay  ary hanampy amin’ny soratra masina mba hivoarana amin’ny asa  sy fitaizana ho an’ny olona mba tsy hiroana amin’ny asan’ny satana.