Orinasa VITAFOAM: Nanolotra Kidoro miisa 60 ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra

auteur 14 aprily 2017 Commentaires fermés
Orinasa VITAFOAM: Nanolotra Kidoro miisa 60 ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra

Nanolotra Kidoro toerana ho an’olona iray miisa 60 ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny Orinasa VITAFOAM androany maraina 14 aprily 2017 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely. Fiarahamiasa 3p, eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina no antony nahazoana izao kidoro izao ary anisan’ny tafiditra amin’ny tanjon’ny Ben’ny Tanana Lalao RAVALOMANANA amin’ny  resaka Sosialim- bahoaka.

Nambaran’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, Colonel RAMBOASALAMA Emilien fa ny kaominina Antananarivo Renivohitra tsy sanatria tonga namana vao mavomavo fa mamporisika ny olona hiara- hiasa satria tsy vitan’ny kaominina irery ny Sosialim-bahoaka fa mila fiaraha-miasa amin’ny rehetra sy avy any ivelany. Nanome fisaorana sy fankasitrahana ny Orinasa VITAFOAM, indrindra ny Tale Jeneralin’ity orinasa ity, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanomezana.