Parking taxi Ambohijatovo

auteur 6 octobra 2017 Commentaires fermés
Parking taxi Ambohijatovo

Miasa  hatrany ny OMAVET manatanteraka ny anjara asany amin’ny famelomana ny teoram-piantsonan’ny fiarakaretsaka eto an-drenivohitra na ny « Marquages au sol » ka anjaran’ny  sisin-dalana tetsy Ambohijatovo ambany iny indray no nohatsaraina , ny marainan’ny Zoma 06 Oktobra 2017 teo.Ireny faritra ireny dia natokana ho an’ny fiarakaretsaka irery ihany ary efa misy ny lalàna manome alalana azy ireo ahafahany mampiasa ireny toerana fiantsonana ireny ka tsy azon’ny fiara hafa ijanonana.Izany no natao dia ny hisian’ny firindran’ny fifamoivoizana , hanampiana ihany koa ireo fiara  manao ny asa fitateram-bahoaka.Marihana hatrany fa eo ambany fiahian’ny CUA ny OMAVET,ary ampanaovina ny asa entina mampandroso ny Tanàna.

CUA