Point de presse ny filoha lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Antananarivo renivohitra Colonel Ramboasalama Emilien

auteur 5 septambra 2017 Commentaires fermés
Point de presse  ny filoha lefitra voalohan’ny  ben’ny tanàna Antananarivo renivohitra Colonel Ramboasalama Emilien

-Nodimandry vokatry ny herisetra nihatra taminy ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ,omaly , tokony tamin’ny 09 ora maraina ,teo am-panatanterahana  ny asany ,fanadiovana ny tanàna , teo akaikin’ny Masoivoho vahiny tetsy Antanimena.Fantatra araka ny fanadihadiana fa mpiasan’ny orin’asa  tsy miankina  iray avy amin’ny COPS no nandona azy tamin’ny moto teny an-dalana.Nampalahelo anefa fa toa tsy noraharahiana mihitsy ny nanjo ity niharam-boina ity fa ny hopitaly nitsaboana azy indray, efa ho adin’ny  6 taty aoriana no nampandre ny CUA.Vao 39 taona i tompokolahy  Alain  Jean Andrianasolo, namela kamboty 3 sy mananontena.

Tsy hipetra-potsiny intsony ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manoloana ny herisetra mihatra amin’ny mpiara-miasa aminy ,tahaka ny fidarohana ihany koa ny mpiasa iray mpanara-maso ny Parking teny Ambohijatovo ny faha20 ny volana  Jona lasa teo.

-OMAVET :Vokatry ny fandaminana teo amin’ny CUA sy ny OMAVET izay sampan’asa eo ambany fiahian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia ity orin’asa ity no misahana ny « Contrôle de conformité » amin’ny fitsirihana ny Taxi sy ny Taxi be miasa eto Andrenivohitra .Amafisina fa tsy miova mihitsy ny vola fandoa isaky ny efa-bolana tokony aloan’ny fiara mpitatitra.Antony nanapahan’ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana hevitra sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny filan-kevitra Monisipaly  izay sarotiny amin’ny « Sécurité »ny mpanjifa no nanatanterahana izany.Ny OMAVET rahateo dia manana fitaovana hari-fomba hanaovana ny fitiliana  eny Ampasapito.Mbola hisy koa ny fanatsarana ny » Marquage au sol » sy ho fisorohana ny fiara mpanao « Clandestin ».Ho hita amin’izany avokoa ireo mpanao kolikoly isan-karazany