Polisy Monisipaly (CUA): Miofana miaraka amina Polisy Monisipaly avy any Frantsa

administrateur 14 septambra 2018 Commentaires fermés
Polisy Monisipaly (CUA): Miofana miaraka amina Polisy Monisipaly avy any Frantsa

Miatrika fiofanana ao anatin’ny andro maromaro ireo polisy monisipaly an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), fiofanana izay tafiditra indrindra amin’ny vinan’ny Ben’ny tanànan’Anananarivo renivohitra Lalao RAVALOMANANA dia ny hanatsarana hatrany ny asan’ireo  Polisy monisipaly eo amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana.

Polisy monisipaly Malagasy  iray miasa any frantsa no tonga mizara ny traikefany amin’ny Polisy Monisipalin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra araka ny fanazavana nomen’ny chef de corps ny Polisy Monisipalin’ny CUA, Kaomisera Ratolojanahary Mahefa Ny Avo, nandritra ny fanokafana ofisialy izao fanofanana izao ny alakamisy teo.

Teknika maro no zaraina amin’ireo Polisy Monisipaly ireo, eo ihany koa ny fampahafantarana ny andraikitr’izy ireo.

CUA

CUA

Mitarika ny fanofanana ny Polisy Monisipaly Malagasy iray miasa any Frantsa, Saïd Soulé Rakotomanana. Ankoatry ny fizarana traikefa dia nisy ihany koa ny fampitaovana  ny Polisy Monisipalin’Antananarivo avy any Frantsa toy ny fanamiana.