Polisy Monisipaly

auteur 13 jona 2014 Commentaires fermés
Polisy Monisipaly

Maro ny asa sahanin’ny polisy monisipaly eto amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra.

Ny fizahana ifotony ny sakana rehetra amin’ny fifamoivoizan’ny  fiarakodia sy ny mpandeha an-tongotra. Toy izany koa ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka amin’ny endriny rehetra.

Rehefa misy mangataka sy mametraka fitarainana amin’ny Kaominina Renivohitra mandritra ny hetsika ara-kolotsaina, ohatra ny  «  Carnaval ho an’ny Fandriam-pahalemana » izay nokarakarain’ny  «  Scout de Madagascar » ny 23 Mai 2014 teny Ambohijatovo – Antanimbarinandriana – Lac Anosy -  LMA, dia mandray ny andraikiny feno ny Polisy monisipaly amin’ny alalan’ny fandaminana ireo «  parking », ny fifamoivoizan’ny fiara sy ny fandriampahalemana eny amin’ireny toerana ireny.

ANDRAIKITRA

- Fanenjehana ireo mpivarotra alikaola tsy nahazoana alalana, ohatra amin’izany ny teo alohan’ny Gastro pizza Analakely.

- Fanentanana ny vahoaka amin’ny tsy hidorohana zava-mahadomelina manerana ireo fokontany rehetra eto an-drenivohitra izay anisan’ny vinan’asa sivy napetraky ny Filohan’ny Delegasionina manokana ny Tanànan’Antananarivo.

- Fisamborana ny mpanao maloto eny an-dalambe amin’ny alalan’ny « opération-pipi »

- Fanentanana ireo posiposy, sarety sy ny kalesy mba handeha eny amin’ny toerana efa natokana ho azy ireo amin’ny ora voatondro.

- Fandaminana ny fifamoivoizan’ny fiara eny amin’ny toerana misy fanamboaran-dàlana.

- Fandaminana ny toeram-piantsonan’ny Taxi-be.

Araka izany dia ny fandaminana sy ny fampitsaharana ny savorovoro ary mamerina ny filaminam-bahoaka amin’ny fomba rehetra no andraikitra goavana hiantsorohan’ny mpitandro filaminana Monisipaly.