Sampana mpamonjy voina (CUA):Tontosa ny famindram-pahefan’ny lehibeny teo aloha sy vaovao

administrateur 13 jolay 2018 Commentaires fermés
Sampana mpamonjy voina (CUA):Tontosa ny famindram-pahefan’ny lehibeny teo aloha sy vaovao

Tontosa omaly teny amin’ny Tobin’ny Sampana Mpamonjy Voina Tsaralalàna ny fifamindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny komandin’ny Vondrona Sampana Mpamonjy Voina an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) teo aloha, ny Commandant RAKOTONDRABE Jean Fidèle, sy ny vaovao Commandant RAMANOARA Francky Daniel.

Tonga nanatrika izany lanonana izany teny an-toerana ny mpiara-miasa avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra,  ireo mpamonjy voina efa nisotro ronono, ny ekipan’ny mpamonjy voina am-perinasa ary ireo fianakavian’ireo lehiben’ny Kaomandin’ny mpamonjy voina. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ity Lehiben’ny Kaomandin’ny Mpamonjy voina vaovao ity ny Commandant RAMANOARA Francky Daniel dia nanambara izy  fa nahatratra 1270 ny isan’ireo asam-pamonjena izay notanterahan’ny sampana mpamonjy voina nandritra ny taona 2017 ; amin’izao fotoana izao kosa dia  efa tafiditra tanteraka amin’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fiavian’ny fahavaratra 2018-2019  izy ireo.

Tsy dia nahafa-po loatra ny vahoaka hoy izy ny asa famonjena teo aloha noho ny tsy fahampian’ireo mpamonjy voina,  nanampy trotraka ihany koa ny tsy fahampian’ny fitaovana ho enti-miasa sy ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Araka izany dia maro ireo vina izay ho ezahin’izy ireo ho tanterahina ato ho ato toy ny fananganana toby iray isaky ny boriboritany, ny fangatahana ny mba hampitomboina ny isan’izy ireo, ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ireo malala-tanana mba ho fampitaovana azy ireo ary ny fangatahana fampiofanana mba hampitombo ny fahaiza-manaon’ireo mpamonjy voina.

Tsara ny manamarika fa efa ho feno 70 taona atsy ho atsy ny sampana mpamonjy voina eto an-dRenivohitra. Ny Sampana mpamonjy Voina   dia tsy mitsahatra ny manentana ny vahoaka hiantso ny laharana 118 raha vantany vao misy ny loza ; eo ihany koa ny fangatahana ny fiaraha-miasa amin’ny tsirairay mba samy handray ny andraikitra tandrify azy amin’ny asa famonjena voina.