Sekretera mpanatanteraky ny AVCOI sy ny CUA

auteur 7 septambra 2017 Commentaires fermés
Sekretera mpanatanteraky ny AVCOI sy ny CUA

Malagasy no voatendry ho sekretera mpanatanteraky ny AVCOI na ny Fivondronan’ireo tanànan-dehibe sy Kaominina aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana dia ramatoa Lalaina Razafindrazaka. Nahazo tsodrano avy amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tamin’ny alalan’ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanàna, Julien Andriamorasata izy androany tolakandro, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Efa sekretera jeneralin’ny kaominina Antsirabe Ramatoa Lalaina Razafindrazaka teo aloha ary atsy Saint Denis La Réunion misy ny foiben-toeran’ny AVCOI izy no hiasa. Manazava ny maha-zava-dehibe izao fanendrena izao ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Julien Andriamorasata.

CUA

element sonore : avcoi