SMKAR (CUAà- nanadio an’Analakely

administrateur 9 may 2018 Commentaires fermés
SMKAR (CUAà- nanadio an’Analakely

CUA

 

Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) miisa 500 teo no nanadio ny faritra Analakely sy ny manodidina iny androany maraina. Ny anton’izany dia noho ny loto tato ho ato niha-betsaka teny an-toerana noho ny fisian’ny hetsika eo amin’ny kianjan’ny 13 mey, ka tsy arak’ireo mpiasan’ny Kaominina mpanadio isan’andro intsony ny loto misy. Nitarika izao hetsika izao ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny SMKAR, notarihan’ny filohany Ankoay Andriantsoa, nanotrona sy nanome tanana azy ireo tamin’izany koa, nisolotena ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana, ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Kolonely Emilien Ramboasalama, ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanàna Julien Andriamorasata, ary ny sekretera jeneralin’ny kaominina Heriniaina Razafimahefa. Nanambara ny filohan’ny SMKAR fa mbola hiitatra amin’ireo Boriboritany 6 eto an-drenivohitra, izao fanomezan-tanana ireo mpanadio tanàna ataon’izy ireo izao.

CUA