Tatitra fivoriana Pretoria Afrika Atsimo

auteur 16 jona 2017 Commentaires fermés
Tatitra fivoriana Pretoria Afrika Atsimo

Tafaverina an-tanidrazana ny 16 jona tolakandro ny Ben’ny tanàna  Lalao RAVALOMANANA izay niatrika ny fivoriam- Be tany Pretoria Afrika Atsimo izay niarahana tamin’ireo Ben’ny Tanàna antanan-dehibe 28 Afrikanina. Votoatin’ny fivoriana dia niompana amin’ny  « inona no fampandrosoana maharitra atao eto an-Drenivohitra ». Nisy tetik’asa 12 no nodihina tao amin’ny fivoriana hoy ny Ben’ny Tanàna Lalao RAVALOMANANA, ary anisany nandraisany anjara amin’izany resaka « Agriculture Urbaine na ny fambolena an-drenivohira».

CUA
Noresahan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ihany koa ny mikasika ny  fitaterana, ny fahasalamana sy ireo rehetra misy eny amin’ny Tanan-dehibe. Hitohy any montréa any Canada ny fivoriana. Azo antenaina hoy izy ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra indrindra amin’ny Afrika Atsimo. Ka ny Ben’ny Tanàna TSHWANE dia  vonona hifandray amintsika ary  hifampizara ireo traik’efa hanany izay hita fa mahomby.