Taxi-ville

auteur 10 novambra 2017 Commentaires fermés

Nitsangana androany zoma 10 novambra 2017  ny Vondron’ny Taxi Matianina na VTM eto Antananarivo Renivohitra, hita izany nandritra ny  valan-dresaka natao tamin’ny  mpanao gazety tetsy amin’ny « Mon gouter » Andrefana Ambohijanahary  izay notarihan’ny  Filoha vonjimaika   Andrianaharisoa Haingo Janneot.

Nambarany  tamin’izany  fa tsy miombon-kevitra  amin’ny  ny FTAR  izay manohitra    ny tetik’asa  fanatsaràna ataon’ny CUA  izy ireo  fa   vonona kosa   hiaraka hampandroso sy hanantsara ny kalitao ny taxi ville izay  fiaraha-miasa miaraka amin’ny  kaominina Antananarivo Renivohitra.

Araka izany dia mankasitra tanteraka ny OMAVET ny VTM satria tsy manana tetik’asa  haka volabe  amin’ny taxi izy  fa  fanatsarana  ny fitaterana sy hampiakatra ny kalitaon’ny asa fitanterana   ary tsy hanilika ny taxi  velively. Nanaiky ny hampiasa ny fitondrana Laterne vaovao.  Amin’ny Herinandro ambony   izao ny  fivoriambe  ataon’ny  VTM.