Tetik’asa fanamboarana lalan-kely

administrateur 8 octobra 2018 Commentaires fermés

Fokontany Ivolaniray – Boriboritany faha efatra

 Nidina ifotony nijery ny fivoaran’ny asa, « tetik’asa fanamboarana lalan-kely » ny delegen’ny boriboritany faha efatra,  RAMAHANDRIMANANA Solofoniaina Daniel androany maraina. Nanotrona azy tany avokoa ireo ekipa mandrafitra ny boriboritany faha efatra sy ireo mpiara-miasa teo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA).

Izao  tetik’asa izao dia iarahan’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra CUA sy ny CDA (Conseil de Developpement d’Andohatapenaka), ary ny fokontany Ivolaniray. Araka izany, dia ovaina ho « beton » ny tetezana lalan-kazo.

Ny lalan-kely izay hatao dia mirefy 244.50m, ka ny 180m amin’izany no efa vita hatreto. Marihina fa maharitra 2 volana ny fanatanterahana ny asa. Nandray anjara feno tamin’ny fanatontosana ny asa ny ao anivon’ny CUA, indrindra fa ny boriboritany faha efatra. Ity farany dia nanome fitaovana entina hanatanterahana izany, ary ihany koa sakafo ho an’ireo mpiasa miisa 20 izay avy amin’ny CUA ihany (DTP), mandritra ny 2 volana.

Nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny CDA sy ny mponina eny amin’ny fokontany Ivolaniray, ary ireo mpiara-miombon’antoka « Ile des enfants » izay eo an-toerana ihany.

Mahazo tombony avokoa  ny mponina manodidina satria manala ny fahasahiranan’izy ireo ny fahavitan’ny fotodrafitr’asa toy izao. Raha ny fantatra dia  mampitohy  fokontany telo io lalankely amboarina io. Mampitohy ny fokontany Anosibe andrefana faharoa  sy ny fokontany Ampangabe Anjanakinifolo ary ny fokontany Andavamamba Ambilanibe.