Trano may teny Anosibe andrefana faharoa – Boriboritany faha efatra

administrateur 4 septambra 2018 Commentaires fermés
Trano may teny Anosibe andrefana faharoa – Boriboritany faha efatra

Nohon’ny fahamaizan’ny trano teny Anosibe andrefana faharoa tamin’ny zoma  teo, dia tonga teny antoerana ny delegen’ny boriboritany faha efatra, RAMAHANDRIMANANA Solofoniaina Daniel, sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ary ny tale misahana ny asa ara-tsosialy eo anivon’ny kaomininan’Antananarivo Renivohitra (CUA), Dr ANDRIANTSEHENO Onimiandra Helitompo Prisca, nijery ny zava-nisy teny antoerana.

CUA

Raha ny tatitra azo dia miisa 274 ny tra-boina ary tokantrano miisa 65 no rava . Tao anatin’izany dia nisy : trano hazo 24 sy trano biriky 8.  Nisy  olona iray may sy naratra, ary namoy ny ainy iray, izay marihina fa vehivavy tsy salama saina.

Noraisin’ny delegen’ny boriboritany faha efatra sy ny tale misahana ny asa ara-tsosialy ny fifampiraharahana tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny fiangonana FJKM ZIONA fahazavana, ka nahazoana alàlana nametrahana ireo tra-boina ireo ao amin’ny fiangonana. Araka izany dia olona 200 no nanaiky nihazo ny « site d’hebergement ».

Noraisin’ny boriboritany ihany koa ny fanampiana ara-tsakafo toy ny vary sy voamaina ho an’ny traboina nanomboka tamin’ny zoma hariva teo, nandefa mpitsabo ihany koa ny avy  tao amin’ny DSH ao amin ‘ ny CUA hizaha ny fahasalaman’izy ireo.

Tonga tany antoerana ihany koa ny mpamonjy voina raha vao nahare ny antso fanairana, ka namono avy hatrany ny afo.