Tsena Be Isotry : Fandaminana

auteur 20 jolay 2017 Commentaires fermés
Tsena Be Isotry : Fandaminana

Niara-nientana tamin’ny  fanadiovana faobe izay notontosain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpivarotra tetsy amin’ny Tsenaben’ Isotry sy ireo Fokontany manodidina ny Alarobia  19 Jolay 2017.

An-jatony maro no tonga namaly ny antso . Samy nanidy ny tsenany avokoa ny tsirairay nanomboka tamin’ny 7 ora ka hatramin’ny 8 ora sy sasany maraina. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Boriboritany Voalohany dia atomboka eo amin’ny TSENA Ben’Isotry ny fanadiovana ireo tsena 8 eto anivon’ny Boriboritany.

Maro ny asa izay notanterahina teny an-toerana toy ny fanadiovana ny tsena tamin’ny alalan’ny rano izay notontosain’ny Pompiers, teo  koa ny fandrarahana ranom-panafody izay nataon’ny BMH.

Ankoatran’izay dia nisy  ny fanisahana ireo mpivarotra vy teny Ambalavao Isotry. Nilamina sy nandeha araka ny tokony ho izy ny fandaminana teny an-toerana ary mbola hitohy satria  Antananarivo Madio sy milamina no tanjona.