Tsikonikonina 2018

administrateur 3 may 2018 Commentaires fermés
Tsikonikonina 2018

Ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia manomana Tsikonina 2018 na fifaninana mahandro sakafo Malagasy ho an’ny ankizy  ka manentana ny ankizy rehetra tsy ankanavaka eo anivonin’ny Boriboritany 6 mba handray anjara mavitrika amin’izany. Ny fisoratana anarana dia  efa manomboka ary hifarana ny farany volana may 2018  izay atao eny anivon’ny Boriboritany misy azy avy na etsy amin’ny Stade Mahamasina rihana voalohany varavarana faha2 ao amin’ny Departemanta misahana ny kolotoraly sy ny fiainam-piarahamonina.

CUA

Ny ankizy  8 taona ka hatramin’ny 12 taona no afaka mandray anjara ; Mamorona vondrona iray misy ankizy 5 (lahy sy vavy).

Ny fifanitsanana dia :

- Ny 6 jona 2018 ny ao amin’ny boriboritany faha2 sy faha4

- Ny 13 jona 2018 ny avy ao amin’ny boriboritany faha5 sy faha 6

- Ny 20 jona 2018 ny avy ao amin’ny boriboritany 1 sy ny faha 3

Ny famaranana kosa  dia ny 29 jona 2018 ao Mahamasina.

Ny  tanjona kendren’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanaovana  tsikonina dia mba hanomezana lanja ny akora vita Malagasy sy ny fandrahoana Malagasy mba tsy ho very ny soatoavina maha Malagasy ary indrindra ny  firaisakina ho an’ny ireo ankizy Malagasy . Marihana fa loka goavana no hozaraina ho an’ireo 3 voalohany.

CUA