Vondrombavaka miaraka amin’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana

administrateur 27 jona 2018 Commentaires fermés
Vondrombavaka miaraka amin’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana

Amin’izao ankatokin’ny fetim-pirenena Malagasy izao dia nisy ny vondrombavaka Izay efa fanao tarihan’ny Ben’ny  Tanàna Lalao RAVALOMANANA izay niraisan’ny Boriboritany 6 eto Antananarivo Renivohitra .  Ka nototosaina izany androany tolankandro  tetsy amin’ny  Tranompokonolona isotry, izay nahitana  olona manodidina ny 700 isa. Ny antony izao dia   mba ho fitazaina ara-panahy an’ireo olona ary koa fotoam-bavaka hoan’ny firenena sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Nisy ny firariantsoa   nataon’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana  ho an’ny olona rehetra amin’izao akatoky ny fetim-pirenena izao ary nisy ny fizarana baiboly sy vary 5 kilao avy isakin’ny olona mba ho marikin’n ny fiaraha mifety.Mbola hitohy hatrany  ny fampianarana ara-panahy eny amin’ny Boriboritany hoy  ny Ben’ny Tanàna Lalao RAVALOMANANA.