mairie-antananarivo – Zavabita tao amin’ny Boriboritany faha 6

Zavabita tao amin’ny Boriboritany faha 6

administrateur 19 jolay 2018 Commentaires fermés
Zavabita tao amin’ny  Boriboritany faha 6

Araka ny toromariky ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana amin’ny  fanatsaràna  ny tanàna  sy  ny mahasoa  ny  mponina  dia mihetsika  ny ao amin’ny  boriboritany faha 6  manatanteraka  ny vinan’ny ben’ny tanàna. Araka izany, nisy ny fanadiovana faobe nataon’ny ekipan’ny boriborintany faha 6  nanomboka teo Ankazomanga atsimo hatrany Ambodivonkely. Tao anatin’izany no nanesorana ny fasika  misisika eny amin’ny arabe, ny fisokirana  ny  lakandrano fandehanan’ny rano maloto.

Nisy ihany koa ny fametahana  takamoa  any amin’ny faritra mena  ao amin’ny boriborintany faha 6  hisorohana  ny asan-jiolahy  mahazo ny mponina eny an-toerana . Ankoatra izay , araka  ny fangatahan’ny  mponina  ao amin’ny  fokontany Antanety  atsimo dia  nisy ny fanamboarana ny lalana   manodidina  ny  50  metatra eo ho eo  manomboka eo amin’ny  sinema Laza  taloha midina mankany amin’ny sahan-dRajaonarivony.

CUA

Marihina fa  ny asa fanamboarana ny lalana  dia niarahana  tamin’ny sehatra tsy miankina, ny fitaovana rehetra dia niantohan’ireto farany  fa ny  asa kosa dia ny  sampan’ny asa vaventy ao amin’ny CUA sy ny ekipan’ny  boriborintany faha 6 no nanatanteraka izany.